ALEO SOLOINA HIRAHIRA
Nampidirin'i cherifa | 22 Mar, 2008Aleo aloha soloina hirahira ny ratram-po nateraky ny faharavan'ny fitiavanao ahy;
Toa nofy mantsy sisa ilay isika nifanorokoroka sy nifankatia ireny; any aminao ny saiko isan'andro, ny loza aza dia mahavita manolotra vavaka ho anao mihitsy aho;loza ve izany sa izaho no karazan'irony olona mirary soa ho an'ny olona tsy tia na fahavalo irony?
Tsy hanenenako izany satria hoy ny hiran'i Aina Cook iray izay hoe "Fiainam-baovao"