NA DIA TIAKO BE AZA IANAO DIA HO ADINOKO

Nampidirin'i cherifa | 22 Mar, 2008

Indramiko ny hiran'ny Cherifa Luna mba hahafahako manapa-kevitra sy hanambarako aminao fa na dia tiako be aza ianao dia tsy maintsy ho adinoako.

"Tu avais vraiement les mots qui m'ont rendu accro"

Efa nilaza ny rehetra manodidina fa diso fiantefa ny foko, lasa any aminao; jamba anefa ny fo rehefa tia, ka niroso an-jambany tokoa aho;

Nanaitra ahy tokoa io tononkiran'ny Cherifa Luna io satria toa ny fiainako no tantarainy; ary tena ny fiainako tokoa.Ny fitiavako anao!!!

Tsy anenenako izay rehetra efa vita, hatramin'izao aloha dia mbola tia anao aho , fa ny fotoana no ho namako , hamafako ny amintsika rehetra

Indraindray aho mieritreritra hoe ho rovitiko sy hofafako ve ny sarinao rehetra? Ho ariako any amin'ny fako ve ilay peratra nifanoloran-tsika sa ho averiko any aminao? nefa na ny hahita ny endrikao aza toa tsy ho tantiko

Aleo aloha ho eritreretiko miadana izay tokony ho ataoko

Hitady olonkafa ho tiavina koa ve aho mba hamafako ny anaranao? Toa mbola tsy vonona ny foko aloha raha izao; nefa raha misy olona vonona ny ho tia ahy sy afaka manala ny fahatsiarovako anao ato anatiko aloha dia tsy misalasala aho fa ho atolotro azy Fo vaovao iray, fa tsy ilay fo efa nopotehinao sy norotidrotehinao, fa fo vaovao sy madio vonona hanolotra fitiavana tsaratsara kokoa noho ilay nomeko anao, nefa sahinao nolotoina